Romans 3

1Ka inona ary izany no tombon-tsoa ananan’ny Jiosy? Ary inona no tombon-tsoan’ny famoràna? 2Tsara izany amin’ny fomba rehetra. Voalohany indrindra, ireo Jiosy dia nanankinana ny fanambarana avy amin’Andriamanitra.

3Fa ahoana raha tsy nanam-pinoana ireo Jiosy sasany? Ny tsy finoan’izy ireo ve no hahantonga ny fahatokin’Andriamanitra tsy ho tanteraka? 4Tsy hisy mihitsy anie izany. Fa kosa, avelao ho hita fa marina Andriamanitra, na dia mpandainga aza ny olona tsirairay. Araka ny voasoratra hoe: ‘’Ho aseho amin’ny teninareo fa olo-marina ianareo, ary aseho rehefa tonga amin’ny fitsarana ianareo.‘’

5Fa raha toa ny tsy fahamarinantsika no maneho ny fahamarinan’Andriamanitra, inona no azontsika hambara? Afaka milaza ve isika fa tsy marina Andriamanitra amin’ny famoahany ny hatezarany amintsika, sa tsy izany? (Mampiasa lahatenin’ olombelona aho.) 6Tsy hisy mihintsy anie izany! Satria amin’ny fomba ahoana ary no hitsaran’ Andriamanitra an’izao tontolo izao?

7Fa raha toa ny fahamarinan’Andriamanitra ka manome fiderana betsaka ho Azy amin’ny alalan’ny laingako, dia nahoana ary aho no mbola tsaraina ho mpanota? 8Fa nahoana no tsy miteny, araka ny tatitra diso izay lazaina fa tenenintsika, ary koa araky ny hamafisin’ny sasany fa notenenintsika hoe: ‘’Avelao izahay hanao ratsy, mba hiavian’ny soa”? Rariny ny fitsarana atao amin’izy ireo.

9Koa inona ary? Manome rariny ny tenantsika ve isika? Tsy izany mihitsy. Fa isika dia efa nanameloka ny Jiosy sy ny Grika, izy rehetra, ho mpanota. 10Izany dia araky ny voasoratra hoe: ‘’Tsy misy olo-marina, na dia iray aza.

11Tsy misy na iray aza mahafantatra. Tsy misy na iray aza mitady an’Andriamanitra. 12Lasa nihataka avokoa izy rehetra. Lasa tsy misy ilàna azy izy rehetra. Tsy misy mba manao ny tsara, tsy misy, na dia iray monja aza.

13Ny tendan’izy ireo dia fasana misokatra. Ny lelan’izy ireo dia mamitaka. Ny poizin’ireo bibilava dia ao ambanin’ny molotr’izy ireo. 14Ny vavan’izy ireo dia feno ozona sy lolom-po.

15Ny tongotr’izy ireo dia havanana amin’ny fandatsahan-drà. 16Ny fanimbana sy ny fijaliana dia eny amin’ny lalan’izy ireo. 17Ireny olona ireny dia tsy nahalala ny lalan’ny fiadanana. 18Tsy mba misy tahotra an’Andriamanitra eo anoloan’ny mason’izy ireo.‘’

19Ankehitriny dia fantantsika fa na inona na inona lazain’ny lalàna, dia miantefa any amin’ireo izay ambany lalàna. Izany dia mba hahatonga ny vavan’ny tsirairay hangina, ary mba hahazo valiny avy amin’Andriamanitra izao tontolo izao. 20Izany dia satria tsy hisy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna eo imasony. Fa amin’ny alalan’ny lalàna no hiavian’ny fahalalana ny fahotana.

21Fa ankehitriny dia nampahafantarina ihany koa ny fahamarinan’ Andriamanitra tsy amin’ny lalàna. Noporofoin’ny lalàna sy ireo mpaminany, 22fa izany, no fahamarinan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy Kristy ho an’izay rehetra mino. Satria tsy misy fanavahana.

23Fa nanota ny olon-drehetra ka tsy manana ny voninahitr’Andriamanitra, 24ary izy ireo dia hamarinina maimaimpoana amin’ ny fahasoavany amin’ny alalan’ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy.

25Fa Andriamanitra nanome an’i Kristy Jesosy ho fanatitra amin’ny alalan’ny finoana ny ràny. Natolony ho porofon’ny fahamarinany Kristy, nohon’ny tsy fijereny ny ota tany aloha 26amin’ny faharetany. Nitranga izany rehetra izany ho fampisehoana ny fahamarinany amin’izao fotoana ankehitriny izao. Izany dia mba hafahany manaporofo fa marina ny tenany, ary mba hanehoana fa Izy dia manamarina ny rehetra noho ny finoana an’i Jesosy.

27Aiza ary izany ny fireharehana? Voafafa izany. Fa inona no antony? Amin’ny asa ve? Tsia, fa nohon’ny finoana. 28Manapa-kevitra izany isika fa ny olona iray dia hamarinina araky ny finoana tsy misy ireo asan’ny lalàna.

29Sa Andriamanitry ny Jiosy irery ihany ve Andriamanitra? Moa ve tsy Andriamanitr’ireo Jentilisa koa Izy? Eny, an’ny Jentilisa koa. 30Raha, iray tokoa Andriamanitra, dia hohamarininy amin’ny finoana ireo voafora, ary ireo tsy voafora kosa amin’ny alalan’ny finoana.

Foanantsika amin’ny alalan’ny finoana ary ve izany ny lalàna? Tsy hisy mihitsy anie izany! Fa kosa, mankatoa ny lalàna isika.

31

Copyright information for PltULB